BETSMIHILANA (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
BETSMIHIMILANAB Be ny voninkazo toa tsara loko,
E Eny kanefa mba misy tsy foiko :
T Tsotra fijoro no tsy mitongilana
S Sady maharavo fa betsimihilana ;
I Izato farihy rehefa hoe anjakany,
M Maina daholo, na 'reo mpanontany ;
I Iny habakabaka raha hita ho misava,
H Hatrany amin'ny feony no manazava ;
I Ireo hirahirany izay tendritendreny,
L Laingako ihany raha halako ombieny,
A Ambarako etoana ho tsiambaratelo
N Natokako ho azy tsy misy alahelo ;
A Ajoroko marina ho mafy ho doria.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy: