BIBILAVA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
BIBILAVA




Bibilava nitelin-tana
voky vao tapitra aina 
ka izao no fiafarana
rehefa kely saina.


Bibilava nitelin-tana,
ny tsiro tsy re akory
dia io fa nigagana,
maty nanorisory.


Bibilava nitelin-tana,
voan'ny natao ihany,
na dia efa norarana
mbola tsy hita lany.


Bibilava nitelin-tana,
azon'ny tenda marina
ka nitsitra vao nialana
fa tsy tia nanarina.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1069 0
Commentaires
dadatsima ( 06/01/2017 00:39)
ny bibilava eto ve tsy ny mpitondra fanjakana amin'izao fotoana izao ?
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0165