You are here: home > Vetso

DIAMONDRA SA VAHINY ? - Fredy Jaofera

Azo vakiana?


DIAMONDRA SA VAHINY ?



Diamondra ianao kanefa
asa loatra fa dia mirefa
ny fanahy toa nampijafa
ka nataoko ho olon-kafa…
Eny, noraisiko ho vahiny
tsy mba hay ankehitriny.



Diamondra ianao kanefa
tsy mba tiako no mandefa
ny hafaliana tato am-po
sy ny alahelo izay nanjo
raha nesoina marimarina
sy nirina tsy ho tafarina.



Diamondra ianao kanefa
tsy mba tany no niantefa
‘zato foko tsy ampy reny
sy nijaly ombieny ombieny,
fa fay ny vita tsy nampino
ka dia ninia hoe nanadino !



Diamondra ianao kanefa
tsy tsaroako ho nahefa
na tsaroana ho nahasoa
fony nihodina avokoa
‘rony vintana rehetra
nirinay mba hitoetra.



Diamondra ianao kanefa
nahamenatra ahy rehefa…
Nahakivy ahy tanteraka
fony tsapa reradreraka
ny saina izay kamboty
nitatatata hoe : Avoty !





Fredy JAOFERA

Sokajy : Ahiahy, Alahelo

Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 13/03/2009
Mpamangy : 912
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

MPAMAFA
MITADY ANAO
OLO-MANGINA
LAVAKA
VAVAKY NY FO
MIVAVAHA
MAMOHA SY MANIDY
ASANDRATRA
VALALA VOATANGO
MAHASOA