Ampidiro aloha ny tenimiafina
DINGANA (Fredy Jaofera)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DINGANA Rehefa ny dingana
tsy zakan'ny hafa,
indro voafingana
fa tiany ny hijafa.
Rehefa ny dingana
no tonga ialonana
dia indro aringana
ka saro-takonana.
Rehefa ny dingana
no miavaka etoana
dia hisy haningana
tsy ho haravoana.
Rehefa ny dingana
no mahasambatra,
be no handingana
vao iny miambatra.
Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie :
Ahy - Fahatsiarovana - Fananarana - Fiaraha-monina - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy
