DOMELIN'NY HARENA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DOMELIN'NY HARENA






Domelin'ny harena
ny masom-panahiny
ka 'zay fahendrena
tsy hita ho sahiny.



Domelin'ny harena
ny vavahadin-tsainy
ka tsisy hojerena
ny zavatra hainy.



Domelin'ny harena
'ty lalan-kombany
ka izao re mihena
ny vintany an-tany.



Domelin'ny harena
ny tsiky natolony
ka tsy mba nekena
raha iny no solony.



Domelin'ny harena,
na izay fitiavany
ka tsy hay fefena
'reto mba vavany !






Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1043 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0115