EEITRERETIKO FOANA (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ERITRERETIKO FOANA Eritreretiko foana
ny momba antsika
ka tsy hay ahoana
fa mitady mozika.
Eritreretiko foana
ny lasa niarahana
ka ny manoloana,
be nofy mibahana.
Eritreretiko foana
ny fitia nozaraina,
na dia efa moana,
tsy hita antenaina.
Eritreretiko foana
ny vazivazy maro,
toy ny voamboana
ny nisy ka fantaro.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fisarahana - Embona - Ahy - Fahatsiarovana - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana