EFA AZY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
EFA AZY




Efa azy ny foko
ka aza manadala,
mbola tsaroako
ianao nankahala.



Efa azy ny foko
ka mba mipetraha ;
ianao vokovoko
fa nandrava saha.



Efa azy ny foko
ka aza manontany ;
vazo no misoko
anio tsy hita lany.



Efa azy ny foko
ka aza mitaditady ;
fitia tsara loko
no be aty, aza fady.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
81 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 07/04/2024 23:52
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149