EFA ELA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
EFA ELA





Efa ela no nizorana
ny lalam-pahatsorana
fa tsy mba nety taminy
na zavatra tsy maminy.




Efa ela no nivoizana
ny lakam-pikirizana
fa tsy ny tao an-tsainy
'zay tody ka tsy ilainy !




Efa ela no naniriana
an'ireo tokim-pitahiana
fa tsy hita ho eritreriny
sao hihombo ny feriny.





Efa ela no nezahina
ny tiana hotanterahina
fa tsy araky izato fony
ka jereo fa be lonjony.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
991 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0122