EFA FANTATRO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
EFA FANTATRO





Efa fantatro ny hoaviko
fa horakofam-pahasambarana
ka na inona hotadiaviko
dia efa izay no fandaharana !




Efa fantatro ny androko
fa hitondra lamina ato ho ato
sy hisy ny masoandroko
mbola hanazava tsy an-kiato.




Efa fantatro ny tanjoko
fa hanjohy ny lala-nofinidiny,
na maro ireny akanjoko
navela ho lao fa tsisy vidiny.




Efa fantatro ny taonako
fa hampipoitra ny fiadanana
ary mandrapihaonako
no sisa eto am-pamaranana.




Fredy JAOFERA
( AMBOHIPANJA 1985)
--------
Lien:
880 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0141