EKENA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
EKENA





Ekena ny hifampitantana
hanjohy ny lalam-pitiavana
no tsoriko, sady mivantana
hisian'ny tena fahasoavana.




Ekena ny hifampitsimbina
hanefy ny oram-piadanana
tadiavina foana hivimbina
ny mamy izay nosakanana.




Ekena ny hipampirakotra
hanova ny hatsiaka misoko
na ny dradraina ho sarotra
hiainana an'ilay vokovoko.




Ekena ny hifampivavaka
hanimba ny sedran'ny tany
hivarina ery any an-davaka :
any amin'ny farany ambany.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
608 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0129