Ampidiro aloha ny tenimiafina
ELA NOTORATORAHANA (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ELA NOTORATORAHANAEla notoratorahana
ka nahavoa mason'angatra
fa nohitsakitsahana
ny tena no sady niangatra.
Ela notoratorahana
ka nandoza hasambarana ;
sarotra ifanarahana
raha nanidy varavarana.
Ela notoratorahana
ka nandratra harena maro ;
nanam-pahafahana
kanefa moa tsy afa-niaro.
Ela notoratorahana
ka nahazo ny tenany ihany ;
ny fanavakavahana
no nentiny ery nanambany.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fisarahana - Fiononana - Fiaraha-monina - fiainana - fananarana - Fampaherezana - Eritreritra mandalo - Alahelo - Aingam-panahy - ahy
