Ampidiro aloha ny tenimiafina
ENTO AHO, RY TONGOTRA ! (Fredy Jaofera)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ENTO AHO, RY TONGOTRA !...Ento aho, ry tongotra,
fa dia tiany hiongotra
ny haren-tsarobidiko
izay tsy mba safidiko.
Ento aho, ry tongotra,
fa zava-naharomotra
ny fosafosa nararany
ka fafako ny anarany.
Ento aho, ry tongotra,
fa ny aty ange rototra
hahita ny tsara kokoa
rehefa nizaka sy voa.
Ento aho, ry tongotra,
fa maro tsy voatototra
ny toetsainy ambany
tena mampanontany.
Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie :
ahy - Fisarahana - Fahatsiarovana - fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - fiainana - Aingam-panahy
