FAHATSIAROVANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FAHATSIAROVANA




Hatry ny ela no nokoboniko
'reo mipetraka ho tantara
ka iniako tsy hotononiko
raha tsy tonga ny anjara.



Hatry ny ela no voahidy
'reny fosa be tsy zaka
ka iniako tsy ho tadidy,
na dia nisy lalim-paka.



Hatry ny ela no voalevina
'reny ngidy izay nafaitra
ka iriko tsy hampievina,
na dia mafy sy tsy laitra...



Izay no fahatsiarovako
f'efa tonga fiainam-bao
eny ho eny : izay lalovako
sy feno tsiky tsy mandao.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1331 4
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0124