FAHAVOAZANA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FAHAVOAZANA




Ianao no fahavoazana
efa nosakanana
fa nahatonga razana
an'ilay fiadanana.



Ianao no fahavoazana
efa nandosirana
fa tsy olo-nahamazana
rehefa nifikirana.



Ianao no fahavoazana
efa tsy nironana
fa ny ezaka notazana,
zary fifandonana.



Ianao no fahavoazana
efa nanenenana
tsy nila fahombiazana
na ny fanarenana.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
90 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 18/02/2025 08:45
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0147