FAMELANA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FAMELANA




Na nisy aza famelana
Dia velona eto ihany :
Tsy haiko hoe fafana
‘reo ratra sesilany.



Na nisy aza famelana
Dia miroborobo lava :
Tsy haiko hoe ravana
‘reo sento tsy nisava.



Na nisy aza famelana
Dia ao an-tsaina foana :
Tsy haiko hoe ialana
Ny mafy nahamoana.



Na nisy aza famelana
Dia mirehitra avokoa :
Tsy haiko hoe rarana
Ny alahelo nahavoa.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
1104 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 05/07/2012 10:02
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142