FANGINAN'NY HENDRY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FANGINAN'NY HENDRY




Manjaka ny hadalana
mbola tsy hay rarana,
tsy izany no mitendry
ny fanginan'ny hendry.



Mipoitra ny tsy rariny,
malaza itony mariny
ka indrisy fa mikendry
ny fanginan'ny hendry.



Mitranga ny kolikoly
ka mahery ny devoly,
noho izany, ry nendry,
ny fanginan'ny hendry.



Mitombo ny halatra,
izay no mahasasatra ;
tsy mikaroka ny endry
ny fanginan'ny hendry.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
279 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0122