You are here: home > Vetso

FANONTANIANA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?




FANONTANIANA





Rahoviana indray isika
no hihaona any Iarivo
fa indro re mandriaka
ny tomany, na tsy ivo ?



Rahoviana indray ange
no hitsidika ahy ianao
fa mangingina Antsirabe
nilaozan-kira sy lalao ?


'Rony vorona misidina
lany sioka teo no ho eo ;
'rony moka sy angidina
no indro eny mankaleo.


'Lay lanitra tomaratra,
takon-draho-mitatao,
ka zary kotro-baratra
no reko eto lava izao.



Rahoviana indray isika
no hifankahita hatrany
fa mamy rehefa adika
matoa aho manontany ?





Fredy JAOFERA

Hametraka hevitra

Midira aloha