FANTARO NY DITRA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FANTARO NY DITRA




Fantaro ny ditra
fa tsy mitondra fiadanana,
na iray minitra
ka aoka re tsy hihavanana.



Fantaro ny ditra
fa mampitranga fahoriana
mampipitrapitra
rehefa voa mafy mangina.



Fantaro ny ditra
fa azo lazaina ho hadalana
mety hampitsitra
raha izany ka sarotra ialana.



Fantaro ny ditra
dia loza maharatsy fiafara ;
ny soa miharitra
ka ho tody ny lalan-tantara.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
553 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fredy Jaofera
Inséré par : 3004
Date : 07/02/2025 08:22
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0117