FAOHAN'NY RIANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FAOHAN'NY RIANA





Faohan'ny riana
ny fakon'ny lasa
tsy hay nariana
na dia nikasa.




Faohan'ny riana
ny loton'ny tany
nahabe fijaliana
sy nisy tomany.




Faohan'ny riana
ny ngidin'ny ora
feno habibiana
fony tanora.




Faohan'ny riana
ny ratsin'ny eto
ho hamamiana
ka mba raketo.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
564 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.012