FEFIKA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FEFIKA




Fefika ny lasa,
any sy tsy hita,
tototra ny kasa
tsy mikitakita.




Fefika ny jaly
nanadala lava,
miala ny voaly,
iny ny mazava.




Fefika ny fery
narary mangina,
izaho samirery
no eto variana.




Fefika ny mafy
nanahirana ahy,
mety ny mifafy,
maty ny ahiahy.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : rindra - Fifaliana - fiainana - Aingam-panahy
1025 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0133