FIAINAM-PAHANTRANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FIAINAM-PAHANTRANA




Fiainam-pahantrana
no avy maka toerana
mila hampihanahana
tsy misy fandeferana.



Fiainam-pahantrana
mahakivy ny vahoaka
misoko tsy hay rarana,
na aiza anio mivoaka.



Fiainam-pahantrana
toa tsy azo antenaina
hampiranga fanovana
hampety isa-maraina.



Fiainam-pahantrana
mitondra fihemorana,
firenena dia tamana
hanimba no izorana.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
490 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0119