FIHAVANANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Trano atsimo sy avaratra
'zay tsy mahalen-kialofana ;
izany no hoe mba fitaratra
tsy ilaina hototototofana !



Soroka miara-milanja,
tongotra miara-mamindra ;
mamiratra soa ireny fanja
hiaraka sy mba hirindra !



Tànana havia sy havanana,
marary izay indro didina ;
izany no tena fihavanana
tsy mety raha vidividina.



Maso sy orona hatrany
ka tiana iray alahelo ;
tiana ho havana ihany
raha ory sy mamelovelo.



Toy ny masoandro mazava
ka satry iray hafaliana,
satry hiseho lalandava
fa misy ny havana tiana.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
4885 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fredy Jaofera
Inséré par : 3004
Date : 31/03/2007 17:17
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.012