FIRARIANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FIRARIANA






Ny irariako
amin'ny fety toy izao
no sady fihobiako :
ny Tompo ivavaho.




Ny irariako
tsy ihambahambana
sady mba tiako :
ny fahasalamana.




Ny irariako
isan'andro, isan'andro
mba ho hafaliako :
ny ho masoandro.




Ny irariako
amin'ny maha-olombelona
no sady tsindriako :
ny ho ela velona.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
978 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0115