FISARAHANA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FISARAHANA





Raha nisy taloha ny andro izay niarahahana
kinanjo anefa anio tsy inoana ho fisarahana,
tsy maninona tsy akory fa veloma, sombinaiko,
mandehana raha handeha fa ny vita re zakaiko !




Ekeko fa mandalo ny teny rehetra rehetra
narafitra ho doria, nataoko tsy hisy fetra ;
tsarovy fa ny soratra apetrako ho anao
ho porofo manambara ny vita sy lalao.




Ekeko fa nasolo irony voady izay nekena
najoro mandramaty hitombo fa tsy hihena 
kanefa ny fo, na ny saina izay mahatsiaro
tsy hanary, sanatria, ka tsarovy na fantaro.




Ekeko fa tsaroana ireny andro izay niravo,
ireny taona feno sento efa hita ho nanjavo ;
mandehana re ka aza mitodika ahy intsony
fa vonton'alahelo izato fo tsy mba mitony.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
744 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 17/08/2020 11:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142