FITAFY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITAFY





Fitafim-pieboana
no hainao naseho
fa tsy famonoana
ny sento sy toreo.




Fitafim-pahavalo
no hainao naroso
ka nanimba kalo
vao nisosososo.




Fitafim-pijaliana
no hainao nadera
ka tojo fahoriana
vao niserasera.




Fitafim-pifosana
no hainao natafy
ka tonga nialana
fa dia leo nihafy.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
801 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0111