Ampidiro aloha ny tenimiafina
FITIA RANO TRAMBO (Fredy Jaofera)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITIA RANO TRAMBOFitia rano trambo
no niainako tany,
nidingan-drambo
vao ritra na lany.
Fitia rano trambo
'zay tsara ivelany
ka azon'antambo
vao eso ny lelany.
Fitia rano trambo
nataoko haharitra
kanefa dia lambo
nitrongy faritra.
Fitia rano trambo
tsy noeritreretina
ka lasa ny sambo
tsy hisian'aretina.
Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana - Fisarahana - Fiaraha-monina - fiainana - fananarana - Fahatsiarovana - Eritreritra mandalo - Alahelo - Aingam-panahy - ahy
Fans:
MAZ RAMANA
