FITIAVANA TSY NINOANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITIAVANA TSY NINOANA




Fitiavana tsy ninoana
no nanambatra antsika
mbola tsarotsaroana
namaritra vao nisy bika.



Fitiavana tsy ninoana
no nitranga ho azy tery
nibaby firavoravoana
naharevo foana ny dia.



Fitiavana tsy ninoana
no namoa hasambarana
fa ny fisentosentoana
namely tsy hita nifarana.



Fitiavana tsy ninoana
no nitondra ny kasakasa
ka mbola namonoana
ny ratra tany amin'ny lasa.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
579 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0116