FITSINJOVANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITSINJOVANA




Rehefa misy fitsinjovana
ny vahoaka izay sahirana,
tsy hisy ny hahatorovana
rehefa tokony hifikirana.



Rehefa misy fitsinjovana
ny vahoaka tsy ampy rano,
efa mitory fahatsiarovana
azy ireo tsy hahita angano.



Rehefa misy fitsinjovana
ny vahoaka tsy ho noana,
ho rediredy sy fahalovana
ny fitiavan-tena teo foana.



Rehefa misy fitsinjovana
ny vahoaka tsy ampy jiro,
ho rindra no handalovana
hatrany hatrany ka ifikiro.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
405 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0113