You are here: home > Vetso

FOTOANA VERY - Fredy Jaofera

Azo vakiana?





FOTOANA VERY





Fotoana very
ny nandeha tany
ka rako-pery
sy tonga tomany.




Fotoana very
ny nangata-pitia
ka lany hery
fa tsy tsara dia.




Fotoana very
ny nitsotra vina
ka naneritery
an'ireo fifaliana.




Fotoana very
ny nitady solony,
saika namery
fa eson'ny molony.




Fredy JAOFERA