You are here: home > Vetso

HABOBO - Fredy Jaofera

Azo vakiana?







HABOBO





Habobo no fahanana
eto an-tanindrazana
ka lasa ny fiadanana,
izao no fahavoazana.




Habobo no manjaka
tsy misy fitsaharana
ka dia mahazo laka
ny an-kasomparana.




Habobo no mandoto
ny fiainam-pirenena
ka dia misafotofoto
'zao ratsy novolena.




Habobo no mandavo
eny foana moramora,
na mahery sy miravo,
hanamaizina ny ora.





Fredy JAOFERA