You are here: home > Vetso

HADALAN-DRENY - Fredy Jaofera

Azo vakiana?






HADALAN-DRENY





Hadalan-dreny
no nahitana faisana,
nampahory ombieny,
nanimba fifandraisana.




Hadalan-dreny
no nanahiran-tsaina
fa nandatsa lavareny
ka tsy haiko tanisaina.




Hadalan-dreny
no nahataraiky ery
ka ny nofinofy teny,
saika maty raha nitia.




Hadalan-dreny
no nanaloka ny ora
fa ny tiako tsy nekeny  
ka dia kivy vao tanora.





Fredy JAOFERA