You are here: home > Vetso

HADINONAO NY ANARAKO - Fredy Jaofera

Azo vakiana?




HADINONAO NY ANARAKO





Hadinonao ny anarako
hatramin'izay niaretako
ka tsy hany amaharako
fa tsy mba hetahetako.




Hadinonao ny anarako
nony indro fa tra-boina
ka nandoto ny tsarako,
na dia zava-nokoloina.




Hadinonao ny anarako
nony indro fa kamboty,
nanaratsy ny tantarako
ka izao re diso angoty.




Hadinonao ny anarako
nony tapi-dalan-kaleha,
veloma fa ny anjarako,
mbola hahavariana be.




Fredy JAOFERA