HAFA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAFA




Ny foko no indro mibitaka
fa vaky sy mba mipatitaka
'ty vazy nambara ho toreo
nanaloka foana anikeheo.



Mipoitra ho azy sahady
'reny tsiky nataoko fitady,
ireny nofy manidintsidina
tsy mahay mitsingidina.



Velombelona tsara daholo,
mahafinaritra fa manontolo
ny fiaina sy 'zay voron-kely
misiotsioka sy te ho modely.



Tobahan'ny ora mahaliana
'tony andro ka mahavariana ;
hafa nanomboka androany
ny tranga ka lasa vinany.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
997 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.012