HAFA IHANY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAFA IHANY




Hafa ihany
ny teo anilanao
ka injany
ny kalo re, asao.



Hafa ihany
ilay fitia nitaona
ka tsy lany,
na tsy tafahaona.



Hafa ihany
ny dinika rehetra
ka mankany,
mbola te hitoetra.



Hafa ihany
ilay takivantsika,
fary lava vany
mamy raha adika.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
556 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0123