You are here: home > Vetso

HAHITA ANAO - Fredy Jaofera

Azo vakiana?



HAHITA ANAO





Hahita anao
no nahatongavako
fa irery vao
haravoana, rahavako !




Hahita anao
no nandrebirebeko
fa izay atao,
sento tsy hay fefeko.




Hahita anao
no nanelingelenako
fa tao ho ao,
ory ange ny tenako.




Hahita anao
no nirin'ny fanahiko
ka tantarao
ny ela tsy narahiko.




Fredy JAOFERA