HAMAIVANO (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAMAIVANO




Hamaivano
iny tigetrako iny
fa ho angano
hipoiran'ny tsiny.



Hamaivano
itony hetahetako,
ho fararano
rehefa niaretako.



Hamaivano
ny androko ange,
ho tsodrano
no ho be dia be.



Hamaivano
ny efa nisasarako
fa hilomano
ny loza tsy arako.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
76 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 16/02/2025 16:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0184