HATRAIZA ? (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HATRAIZA ?




Hatraiza no misy ny fetra
hanova ny nahapararetra,
handroaka ny sento sy jaly
ho naman'ny lasa sy omaly ?




Hatraiza no misy ny tsiaro
tsy hamoha 'reo alina maro,
tsy hanaitra ireny ady mafy
fony tokana sy mba nihafy ?




Hatraiza no misy fotoana
tsy irina hanaloka foana,
tsy ilaina hamerina indray
irony sedra tena nahavay ?




Hatraiza no misy hirahira
tsy hamonto ireo sovenira,
tsy hivatsy ny hoe : alahelo
vao indro fa mamelovelo ?




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
1238 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0114