HATRAMIN'IZAO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HATRAMIN'IZAO




Hatramin'izao
dia mbola misy
ilay fitia natao
tsy hanimba lisy.



Hatramin'izao
dia mbola miaina
ny mamy vao
izany re no ilaina.



Hatramin'izao
dia mbola mitady
sangy sy lalao
rehefa tsy tomady.



Hatramin'izao
dia mbola mikalo
ny hirahiranao
tsy mety atakalo.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
346 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0125