HATRAMIN'IZAY IANAO... (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HATRAMIN'IZAY IANAO...




Hatramin'izay ianao,
tsy nihetsika raha vao
azom-pahasahiranana
ilay foko tia fiadanana.



Hatramin'izay ianao,
tsy tsapako ho nanao
izay nahasoa ny tena
rehefa osa sy nihena.



Hatramin'izay ianao,
tsy hitako ho nandao
ny tantara nanorisory
tsy safidy izany akory.



Hatramin'izay ianao,
tsy nanova ny raorao
ho hafaliana marina
iny isaky ny miarina.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
39 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 28/06/2024 20:30
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0275