HATRAMIN'NY NIALANAO (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HATRAMIN'NY NIALANAO




Hatramin'ny nialanao,
lava ery ny andro iray,
tsy mitsaha-mitatao
ny alahelo toa mivay.



Hatramin'ny nialanao,
eritreretiko re ny very,
malomaloka raha vao
indro oriory samirery.



Hatramin'ny nialanao,
nofiko foana ny hitady
fa mbola tsy mandao
ny fitiavako, aza fady.



Hatramin'ny nialanao,
tsaroako toa miandry
fa voady hatramin'izao
ka avia eto an-tsandry.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
264 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.012