HAY VE ? (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAY VE ?




Rehefa ianao ve no nitia dia nolazaina hoe : FITIAVANA
Fa rehefa ny hafa no nitia dia nambara hoe : TSY GOAVANA ?
Rehefa ianao ve no nihafy dia nolazaina ho FIHAFIANA
Fa rehefa ny hafa no nihafy dia tsy marina NA OVIANA ?
Rehefa ianao ve no niezaka dia nolazaina hoe : NIFOFOTRA
Fa rehefa ny hafa no niezaka dia nambara hoe : NIDOFOTRA ?
Rehefa ianao ve no niteny dia nolazaina ho MAHALALA
Fa rehefa ny hafa no niteny dia nambara hoe : ADALA ?


Hay ve ?...


Tandremo aho miadan-tsoa
Vao izay vao tia tokoa !
Tandremo aho miadan-tsaina
Vao izay vao arahabaina ;
Tandremo aho miadam-bola
Vao izay vao te hiangola ;
Tandremo aho miadan-trano
Vao izay vao hoe : tantano !
Tandremo aho miadan-janaka
Vao izay vao hoe : taranaka !
Tandremo aho miadam-bady
Vao izay vao hoe : mitady !



Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : Alahelo
1092 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0115