HAY, VORONDOLO ! (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAY, VORONDOLO !





Hay, vorondolo
no nisidintsidina
nitilitily im-polo
vao nanodidina.




Hay, vorondolo
no niverimberina
nandrava tontolo
ka antitranterina.




Hay, vorondolo
no nihaodihaody
hany ratsy volo
sy nitazona aody.




Hay, vorondolo
no nanelingelina
nandatsa daholo
ny zavatra telina.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
617 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 22/11/2019 10:43
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014