HAZO FIJALIANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAZO FIJALIANA





Hazo fijaliana
raha iny olona iny
anefa dia irariana
hahazo izay iriny.



Hazo fijaliana
ny very sy ny simba
anefa dia tsy tiana
ny hanimbazimba.



Hazo fijaliana
ny setrasetra maro
anefa dia ihafiana,
ka hafatrafaro !



Hazo fijaliana
ny ady tsy nahasoa
anefa dia itafiana
kalokalo tsara koa.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : Alahelo
1656 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0116