You are here: home > Vetso

HETRAKETRAKA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?



HETRAKETRAKA





Hetraketraka no vitany,
hasomparana no tiany
fa izay ange no hitany
mitondra ny hafaliany.




Hetraketraka no takany,
fandravana no maminy
raha indro re ny lakany
mody asosan'ny laminy.




Hetraketraka no heriny,
fandatsana no fananany
tsy hahalalana ny feriny
fa mody ireo fiadanany.




Hetraketraka no asany,
habibiana no talentany
raha nihena an-tsasany
sy simba koa ny entany.




Fredy JAOFERA



Hevitra mandeha

raims randriamalala (20/01/2020 16:51:24)

: ) enjan'izany hetraketraka izany marina a, hafa kely

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 18/01/2020
Mpamangy : 353
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

TAVANY
MOZIKA
NANEFY NY TOETRAKO
FITAFY
MIHIRA
REHEFA
HEHY
MAMOHA POETY
ADY MARO
TSY HO AZONAO NY FOKO