You are here: home > Vetso

HIRA (2) - Fredy Jaofera

Azo vakiana?







HIRA





Misy maraina indraindray manamaloka avy hatrany
'reo ora sy fotoana, na mifandimby tsy hita lany
fa rehefa mihira ianao ary mifaly lavareny
dia mora misinda ho azy ireny rehetra ireny.




Misy masoandro indraindray tsy manafana akory,
toa mazava fotsiny eo no mitady ny hampahory
fa rehefa mihira ianao ka mbola manantena,
mbola hiova tsisy farany ny hita sy jerena.





Misy alina indraindray toa mamoaka tebin-tsaina :
tsy ahitana torimaso no tsy ahitana izay lazaina
fa rehefa mihira ianao ka mino ilay Tsitoha,
mbola ho zava-mahagaga no hitobaka tokoa.




Fredy JAOFERA