You are here: home > Vetso

HIRAIKO - Fredy Jaofera

Azo vakiana?



HIRAIKO





Hiraiko ny mafy
nanefy ny taona
hiova sy hanafy
soa fa tsy saona.




Hiraiko ny jaly
nandreraka ery
hiala ny omaly
ho tonga ny fy.




Hiraiko ny rofy
nahazo ny tena
hisinda ho nofy
tsy hay fefena !




Hiraiko ny fery
nahabe tomany,
hivatsy ny hery
sy mba ho lany.




Fredy JAOFERA


Hametraka hevitra

Midira aloha