MBOLA HIVALY (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MBOLA HIVALYTsy maintsy mbola hivaly
ireny korontana natolotra
ka hampipoitra foana jaly
tena hahamaina molotra.
Tsy maintsy mbola hivaly
ireny ratra tsy hay ambara
ka hahalavo tsy hampifaly,
hampivarina any am-para.
Tsy maintsy mbola hivaly
ireny setrasetra tsy nirina
ka handrava eto ny omaly
ho fanenenana tsy tiana.
Tsy maintsy mbola hivaly
ireny loza nahazo hatrany,
na izay ela izay, voangaly
ny fitiavako ka mitomany.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fisarahana - Ahy - Fahatsiarovana - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
