You are here: home > Vetso

HO AN'I MADAGASIKARA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?



HO AN'I MADAGASIKARA





Ho an'i Madagasikara
ny ranomaso izay mirotsaka
fa tsy mba misy tsara
ho an'ny maro ny miposaka.




Ho an'i Madagasikara
ny alahelo izay mifongatra
fa ady mafy no anjara
tsy mitsahatra mirongatra.




Ho an'i Madagasikara
ny sentosento izay mivoaka
fa olan-dava no tantara
raha mikaikaika ny vahoaka.




Ho an'i Madagasikara
ny vavaka eto izay tononiko
tsy injao voazarazara,
na ahoana re fa tsy foroniko.




Fredy JAOFERA