You are here: home > Vetso

HO AVY ILAY MESIA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?

HO AVY ILAY MESIA




Ho avy ilay Mesia,
Mpanjakan’ny Mpanjaka,
Ka miraisa, mihobia
Fa ho tonga hiorim-paka.




Ho avy ilay Mesia
No hafatry ny Anjely,
Ka misaora, mifalia
N’aiza n’aiza fa tsy kely.




Ho avy ilay Mesia
Na ny Tompo Imanoela,
Ka miomana, matokia
Fa hasambarana tsy ho ela.




Ho avy ilay Mesia
Ho antsika rehetra rehetra
Hamonjy ireo mania
Sy ireo ory manjoretra.




Ho avy ilay Mesia
Ry Mpino tsy hita isa,
hivatsy ilay fitia
Sy ilay hany paradisa.





Fredy JAOFERA




Sokajy : Fety, Fifaliana

Hametraka hevitra

Midira aloha