HO LASA (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO LASATiako hijanona ho lasa
ireny adiady nandratra
ka ankehitriny re hiasa
hanasoa izay tsy tratra.
Tiako hijanona ho lasa
ireny rava tamin'izy iny,
na indraindray manasa
hamoha ahy ny fahiny.
Tiako hijanona ho lasa
ny ranomaso nandeha,
hoy itony foko voarasa
raha tsy fantatra ange.
Tiako hijanona ho lasa
ny sedra nanelingelina
ka hoy aho : miandrasa
fa fitahiana tsy hihelina.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fisarahana - Embona - Ahy - Fahatsiarovana - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy
